Anio, 30-07-2010 l Laharana : 372
 
 
samihafa Version imprimable Suggérer par mail

Unicef


Dzaomalaza : natao hampivoatra ny fiainan’ny tanora


Tafiditra amin’ny andro afrikana ho an’ny tanora no namoahan’ny Unicef  ity andian-tantara « Dzaomalaza » ity. Manome hevitra amin’ny tokony hifampianaran’ny tanora samy tanora no tena antony nanaovana azy. Ny tanjon’ity tantara ity dia mba handray anjara amin’ny fampianarana ireo tanora ireo hiatrika ny fiainana. Ka amin’izany dia omena fahalalana ampy azy ireo tanora hiatrehany ny ho aviny. Raha ny fanambaran’i Bruno Maes, solontenan’ny Unicef, dia manantena fiovana izy, amin’ireo tanora malagasy amin’ny alalan’ity horonan-tsary ity.  Maharitra 45 minitra ilay tantara izay manambara ny karazan’olana rehetra sedrain’ny tanora, toy ny zava-mahadomelina. Mitantara ny zavatra niainana tovovavy roa te hahazo zavatra maro eo amin’ny fiainana ka manao ny fomba rehetra hazahoana azy. 500 ireo horonantsary natonta ary mbola hampiana izany satria haparitaka manerana ny nosy ilay izy. Hisy ny fandefasana azy amin’ny sekoly, fokontany, ary amin’ny televiziona sy fikambanana maro samihafa. Hampivoatra, hampianatra, ireo olana tsy maintsy lalovana, ary indrindra hanoro amin’ireo ankizy sy tanora maro be amin’ny sedram-piainana izay azo ialana tsara.
Nath 

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Raokandro malagasy
Nampidirina ho isan'ny ...

.............................................
Atoa Jean Giuliano Nicol ...
“Tsy hanaiky mora foana aho...

Ankolafy telo...
Miandry ny fizotran’ny
..
............................................
Antsiranana ...
Ratsy fanombohana ny dinika...

Ny ba gasy sy hiran’ny omaly
Anio tolakandro etsy amin’ny ..

.............................................
« Dzaomalaza et le saphir ...
Nalefa voalohany omaly tets...

Fort-Duchesne
Trano telo kila tsy nisy ...

.............................................
Magro-Ankorondrano...
Enin-dahy tratra nangalatra ...

Kitra-Tompondakan'Analama..
Nivoaka nandresy ny Vesta ...

.............................................
Rugby – Tompondakan'...
Cosfa sa 3fb?...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2944308
visiteur