Addis-Abeba 15 mn monja ny fivoriana voalohany
Omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 4 ora latsaka fahefany ( ora any an-toerana izay mifanindry amin’ny ora eto amintsika ) no nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy ny fivoriana hamahana ny krizy, tarihin’ny mpanelanelanana avy any ivelany ary andraisan’ny lehiben’ny ankolafy pôlitika efatra anjara. Atoa Jean Ping, filohan’ny vaomieran’ny fandriampahalemana eo anivon’ny Vondrona Afrikana no nitarika izany. Fivoriana izay notanterahina tao amin’ny foiben’ny Vondrona Afrikana, any an-drenivohitr’i “Ethiopie”. Araka ny nambaran’Atoa Jean Ping dia efa nisy ny dingana vita tany Maputo sy teny amin’ny “Carlton” ary tokony hotohizana izany. Ny Pr Zafy Albert kosa no nandray fitenenana nisolotena ny efa-tonta amin’ny maha-zokiny indrindra azy. Niato ny fivoriana rehefa nifampidinika tao izy ireo, tao anatin’ny 15 minitra. Izany moa dia noho ny fangatahan’ny Filoha Ravalomanana Marc. Ny tenan’ity farany ity mihitsy no niala ny fivoriana dieny mialoha araka ny vaovao avy any an-toerana ary tamin’izany no nanambarany fa ilaina ny fahatongavan’Ing. Joachim Chissano. Voatery nahemotra ny alina indray ny dinika ka izy efatra mirahalahy mianaka filohan’ny firehana avy ihany no nivory niaraka tamin’ Ing. Chissano izay tonga iny alina iny. Asa ihany koa fa araka ny vaovao dia ohatra ny tsy faly tamin’ny fihetsiky ny Filoha Ravalomanana Ing. Ablassé O. Marihina fa tamin’ity fihaonana ity dia maro ireo olona izay tsy tonga tany Maputo I sy II no hita any Addis Abeba, toy izany ohatra Ing. Tantely Andrianarivo, Celine Ratsiraka sy Annick, Herivelona Ramanantsoa, Mialy Rajoelina, sy Lomotse, mpitsara iray avy any Toliara. Voalaza ihany koa, araka ny vaovao fa Ing. Guy Rivo no mpitondra tenin’Ing. Marc Ravalomanana. Hita any an- toerana ihany koa Ing. Malala Zo. V.R. sy niry ramanitra
|