Mpanolotsain’ny tanàna -Antsirabe Mitady hirika hanesorana ny ben’ny tanàna
Araka ny loharanom-baovao avy any Antsirabe dia tsy mitsahatra ny mitombo ny tsy fifankahazoana eo amin’ny ben’ny tanàna Rtoa Olga Ramalason sy ny mpanolotsaina TIM sy AFVA ( Antoko Fampandrosoana an’i Vakinankaratra ) miisa 8 andaniny sy ny mpanolotsaina Arema, Grad Iloafo miisa 7 ankilany. Raha fintinina dia mitady hirika hanalàna ny ben’ny tanàna amin’ny toerany iretsy faharoa.. Azo antoka fa noho izy ben’ny tanàna lany tamin’ny fotoana nitantanan’Ing Marc Ravalomanana ny firenena no antony. Ary iretsy faharoa izay mihevitra azy ireo ho ekipan’ny tetezamita indray no tokony hitondra. Bianco! Nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’ireto mpanolotsaina Arema sy Grad Iloafo ireto tamin’ny Alatsinainy teo dia nilaza izy ireo fa feno ny fepetra hanaporofoana ny fisian’ny fitantanana tsy ara-dalàna ataon’ny ekipa mpanatanteraka eo anivon’ny kaominina. Niantsoan’izy ireo mpanao pôlitika, ireo olona noravàna trano ary ireo mpivarotra navoaka tao amin’ny tsenan’Asabotsy izany. Nilaza ny hametraka fitarainana any amin’ny Bianco izy ireo, mba hahatonga iretsy farany hanao ny fanadihadiana rehetra mifanaraka amin’izany. Ny mpanolotsaina Arema sy Grad Iloafo izay tsy mitsahatra ny manakiana ny ben’ny tanàna ho tsy mamaly ny fangatahana fihaonana napetrak’izy ireo sy ny hoe: matetika mankany ivelan’i Madagasikara tato ho ato Rtoa Olga Ramalason fa tsy manao ny asany amin’ny maha ben’ny tanàna azy. V.R. sy Lova ( solantena any Antsirabe )
|