Anio, 14-03-2010 l Laharana : 3616
 
 
fanatanjahantena Version imprimable Suggérer par mail

Volley-Tompondakan’i M/kara


Sempotra tanteraka ny Ift sy ny Vbcd


Nihevitra ry Rose de Lima fa tsy sarotra aminy ny hahazo fandresena. Nihoitra anefa ny tovovavin’Atsinanana ka tsy namelany raha tsy sahala ny seta roa farany.
Tao anatin’ny fanatanterahana ny “tie break” vao fantatra ny ekipa vehivavy nandresy ny mpifanandrina taminy, omaly, tetsy amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Raha 15 no ho 9 no nandavoan’ny Vbcd Analamanga ny Jirama-n’i Toamasina, dia tamin’ny 18 no ho 16 kosa no nandresen’ny Ift Analamanga ny Stef’Auto. Niady ny baolina satria nifanenjehena hatrany ny seta, ary tsy maintsy notanterahina ny tsotsori-mamba nisarahana. Nandritra ny fihaonan’ny Ift  sy ny Stef’Auto, dia azon’ny solontenan’Analamanga avokoa ny seta roa voalohany (25/23 – 25/20). Nihevitra ry Rose de Lima fa tsy sarotra aminy ny hahazo fandresena. Nihoitra anefa ny tovovavin’Atsinanana ka dia tsy namelany raha tsy sahala ny seta roa farany (25/20 – 25/20). Nifamaliana kosa ny fandrombahana ny seta teo amin’ny Vbcd sy ny Jirama. Nisantatra ny fandresena voalohany ny mpilalaon’Analamanga (25/19), ary dia novalian’ny mpifanandrina taminy izany (25/22), dia toraka izany hatrany ny fizotran’ny adin’izy ireo (Vbcd : 25/18 ; Jirama : 25/22), izay tsy nifarana raha tsy tamin’ny “tie break”. Tsy sarotra tamin’ny Cosrom 14 Antsirabe ny nanamontsana ny Tsarafaritra Ihosy tamin’ny seta 3 no 0, ary dia toraka izany ihany koa no nampiondrehan’ny Jirama-n’i Toliary an’ny Asvbm Mahajanga. Toy ny omaly tsy miova ny voka-dalao tamin’ny lehilahy, teny amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, fa ny ekipan’ny Pygarques Fenerive Est ihany no mba nahazo seta iray teo anatrehan’ny As Voara Antsirabe.  Ift Fianarantsoa (3) # Assm (0) ; Cosrom 14 Antsirabe (3) # As Avotra Toamasina (0) ; Tiko Sc (3) # Asuma Mahajanga (0).
Ny fizotry ny lalao anio : Kianja Ankorondrano / 8 ora : As St Pierre # As Voara (L) ; Pygarques # Asuma (L) ; Cosroma 5 # Akats ; Tsarafaritra # Cosfa – Kianja Mahamasina / 8 ora : Asvbm Mahajanga # Vbcd (V) ; Stef’Auto # Cosrom 14 (V) ; Jirama Toliary # As Avotra Toamasina (L) ; Cosrom 14 # Ift Fianarantsoa (L).
a.r 

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Akon’ny rivodoza
Tanana maro no safotry ny ...

.............................................
Toamasina – Oniversiten’i ...
Mandrahona hitokona ireo ...

CENI
Ny Fitsarana no hanara-maso...

............................................
Antsirabe I
Miady an-trano ny samy TGV

Taombaovaon’ny Ambanilanitra
Nisongadina ny fampitahan’ ...

.............................................
« Taom-baovao malagasy » ...
Maro ny zavatra tokony ho ...

Ankazomiriotra : taxibrousse ...
Nitifitra ireo jiolahy,olona ...

.............................................
Andravoahangy
Lehilahy voatsindrona ...

Barea de Madagascar
Votsotra ny 5 tap. Ia isaky ...

.............................................
Volley – Tompondakan'ny ...
Nandresy ny IFT, resy kosa ...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2059169
visiteur