Jirama: niverina ny vidin-jiro taloha? Niakatra ny ankamaroan’ny faktioran’ny mpanjifa
Niverina amin’ny taloha ve ny vidin-jiron’ny Jirama? Raha ny tsikaritra aloha hatreto dia saika niakatra ny ankamaroan’ny faktioran’ny mpanjifa.. Ireo fandaniana herinaratra na jiro no tena voakasik’izy ity. Tamin’ny alalan’ny fanadihadiana natao teny anivon’ny tokantrano sasantsasany mpanjifan’ny Jirama ireny ary koa tamin’ireo olona milahatra mandoa faktiora amin’ireny masoivohon’ny Jirama ireny. Ny olona mampiasa jiro efa voaloa sarany mialoha (facture prépayée) ihany no mba nisy nilaza fa nidina na koa tsy nihetsika firy fa mitovitovy amin’ny teo ihany ny fandaniana jiro nataony. Ny faktiora volana oktobra teo no nanaovana izao fanadihadiana tsotsotra izao. Misy ihany koa ireo nilaza fa nisy fotoana nidina kely vetivety ny faktioran’ny Jirama dia niverina niakatra indray avy eo. Tato anatin’ny iray volana na mahery teo vao tena hita izay fiakarany izay, hoy ny sasany. Misy aza tsy nahatsiaro mihitsy fa nisy fotoana nidina ny faktiorany. Nilaza kosa ny ankamaroan’ireo mpanjifa nanontaniana ireo fa tsy nitombo akory ny fandaniana nataony fa mitovy amin’ny hatramin’izay ihany. Asa tokoa na dia niverina amin’ny sarany teo aloha ny vidin-jiro, izay efa mba nampidinin’ny Fitondrana tetezamita ankehitriny vao vetivety, saingy nandalo toy ny vidim-bary sy menaka mora ihany koa. Lucien R.
|