Tontolon’ny Rugby Nifanesisesy ny fahoriana
Tsy mba nahoraka toy ny nahafaty an’Itpkl Rajaonarison Gabriel na i « Dada Gaby / Ravolomaso Rainy » ny fahafatesan’i SoloBandy tany Mahajanga fa somary nangingina. Eny fa na dia ny mpanao gazety aza dia toy ny notampohina, omaly, raha nandre ihany koa fa nodimandry ity kintan’ny baolina lavalava malagasy ity, ary efa voalevina tamin’ny alarobia teo koa, teny amin’ny fasan-drazany eny Alarobia Amboniloha, rehefa nandrasana teny Antanetibe Analamahitsy. Nisalotra ny fanamian’ny « Maloto Lamba » na ny « Jeunesse Sportive d’Ambondrona », nandritra ny taona maro i Solo bandy, ary efa niaro ny voninahi-pirenena tao anatin’ny Ekipa nasionaly malagasy tamin’ny taona 57 tany ho any, izay nanahirana ny Frantsay mihitsy ny nandavo azy. Niaraka tamin-dry Milibe, Dida sy Talasy, Fôsy ary Rainisoa, izay hany akanga sisa nanamborana mbola velona mandrakizao fa sao adinon’ny taranaka, niampy an’Itpkl Ravolomaso. Ankoatra an’i Solo Bandy, dia fantatra ihany koa fa nodimandry tamin’ny faramparan’ny volana oktobra iny i John Bôl sy Elmond, izay samy mpilalaon’ny Jsta ary samy mpikambana tao anatin’ny ekipam-pirenena malagasy. Mampalahelo ny toe-javatra tahaka izao fa tokony handray ny andraikiny ny fianakaviana, ny mpiara-monina, ny mpiara-milalao ary ny ekipa nihavian’ireny mpilalao maty ireny, ampahafantatra amin’ny tomponandraikitra (Minisiteran’ny Fanatanjahantena – Federasiona (tsy hita maty tsy hita velona ???) – Ligy – Section) ny momba ny zava-mianjady (aretina-fahantrana-fahafatesanana…) amin’ireny mpilalao tranainy izay nitondra avo ny voninahi-pirenena ireny. Raha mbola velona moa izy ireny dia tokony hampiana fa tsy rehefa maty vao Ramalala. Tolorana an’izatsy sy zaroa ! a.r
|