Anio, 19-03-2010 l Laharana : 3620
 
 
zava-misy Version imprimable Suggérer par mail

Tsaralalàna


Mpandeha taxi voatafika sy voatifitra


Nivoaka ny fiara ilay saofera ary nijanona ela be tany.
Mpandeha taxi iray no notafihin’ny jiolahy teny Tsaralalàna afakomaly alina. Voatifitra teo amin’ny ranjony havia izy ary lasan-dry zalahy ny vola 740.000 Ariary sy ny finday teny aminy. Avy eny 67 Ha ralehilahy ary ho eny Ambatoroka tamin’io ka nanakana taxi. Nony tonga teny Tsaralalàna manoloana ny biraon’ny polisy dia nilaza ilay saofera fa tsy afaka mandeha any Ambatoroka. Nalainy ny 5 arivo Ariary dia nafindrany taxi hafa ilay mpandeha. Vao nandeha kelikely tamin’ity taxi faharoa ity indray dia najanon’ilay saofera teo akaikin’ny “Conforama” ny fiara dia lasa nivoaka ilay saofera. Ela be tany io ka nivoaka nijoro teo ivelan’ilay fiara ilay mpandeha. Teo no nisy efa-dahy nipoitra. Ny iray nitondra basy asry nitifitra azy avy hatrany. Ny iray hafa namely tamin’ny sabatra saingy voatohany. Ny fahatelo nively kibay ny tongony ary ilay iray farany nijoro teny lavidavitra. Nosavaina izy ka lasa ny vola sy ny finday. Saika handeha ilay taxi fa nisy polisy nahita ka nasain’io nitondra ilay lehilahy nankany amin’ny biraon’ny polisy. Notadiavina ireo jiolahy ka tratra teo akaikin’ny “Roso” ny iray. Efa notsaboina ilay naratra. Misy mpitondra taxi ahiana ho mifandray tendro amin’ireo jiolahy.
T.H

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Seces
Anio vao ho fantatra ...

.............................................
Taxibe
Mihorohoro fatratra ...

Sazy avy amin’ny Vondrona Af
Nanakoako eran-tany ..

............................................
Fitorian’ny Hetsika mpitondra
Milaza ho tsy mahefa ny ...

Tovo J’Hay
Seho voalohany ao amin’ny ...

.............................................
Pakan’Antsirabe
Efa mahoraka sahady ...

Ampahitrosy
Jiolahy nirongo basy nanafika...

.............................................
Ankazomiriotra-Fanafihana
Misy olona ambony mitady ...

lazao ny marina
Kitra-Fifidianana seksion ...

.............................................
Tsara hofantarina
Ampiharo amin’izay ny tena ...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2085561
visiteur