Andry Rajoelina - Marc Ravalomanana Nihaona manokana nandritra ny 30 minitra
Fivoriana niarahan’ny filohan’ny ankolafy 4 (Zafy Albert, Ratsiraka Didier, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina) no nanombohana ny fivoriana, omaly. Araka ny loharanom-baovao samihafa manodidina ny toerana nanatanterahana ny fivoriana dia ny ankolafy Andry Rajoelina no nangataka ny nanatanterahana izany fivoriana izany. Taorian’io fihaonan’izy efatra mirahalahy mianaka io dia nihaona manokana nandritra ny 30 minitra teo ho eo Ing Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina. Itsy voalohany narahin’Ing Fetison Andrianirina sy ny mpisolovava Hanta Razafimanantsoa. Ny faharoa kosa narahin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Ny Hasina Andriamanjato sy Ratsirahonana Norbert Lala. Tsiahivina fa tamin’ny alakamisy lasa teo dia nivoaka ny efitrano fivoriana Ing Andry Rajoelina. Araka ny fanazavana nomeny dia tsy arakaraka ny nifanarahana mialoha ny fizotry ny adihevitra.
|