Anio, 10-03-2010 l Laharana : 3613
 
 
kolontsaina Version imprimable Suggérer par mail

Norah


Harakitra an-kapila ny fitetezam-paritra


 ”Sambatra”, ”Sans toi”, ”Anao raiky tiako”. Ireo no hira tena ahafantaran’ny maro an’i Norah, mpanjakavavin’ny mozika mafana eto amintsika. Folo volana teo ho eo no nivoahan’ny kapilany voalohany nitondra ny lohateny hoe ”Anao raiky tiako”, dia raikitra ny fitetezam-paritra. Nitety ny faritra avaratry ny Nosy nandritra ny roa volana teo ho eo izy ireo. Sofia sy Diana no vitan’izy ireo tamin’izany, ka azo ambara fa fahombiazana ny diany. Nosy be, Ambilobe, Mandritsara, Antsohihy, Bealanana, miampy ireo faritra madinidinika no voatetin-dry Norah tamin’izany. Nambaran’ny mpiahy ny tarika fa harakitra anaty kapila io fitetezam-paritra io, miampy ireo rindran-tsary vaovaon’ny tarika miisa efatra. ”Norah tours” no lohateniny ary mialohan’ny faran’ny taona dia hivoaka ny vokatra. Araka ny fanazavany, dia fampisehoana miaraka amin’ny moraingy no tanterahiny any amin’ny faritra ambanivohitra any amin’ny folakandro, fa alim-pandihizana kosa ny alina. Efa talentan’ity andriambavilanitr’i Sofia ity rahateo ny manafana fety aman-danonana satria vao 5 taona monja izy dia efa nihira. Nanomboka ny taona 2003 izy no niaraka tamin’ny tarika maro samihafa, ka isan’izany Zandry Kaja tamin’ilay hira ”Rozia”. Ny taona 2007 izy no nanapa-kevitra ny handeha irery, ka ny volana desambra 2009 teo no nivoaka ny voaloham-bokatra. Andrasana kosa ny fiakaran’i Norah ny kianja eto an-dRenivohitra.
Fy

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Ankatso
Nanampin-tsofina tanteraka ...

.............................................
ASAMA Andohatapenaka
Nahazo Kit scolaire ireo ...

Praiminisitra Camille Vital
Nampivory ny tompon’ ..

............................................
Kaomandin’ny FIGN
Mametra-pialàna omaly ...

Gabin Vaovy
Nosalorana mariboninahitra, ...

.............................................
Ralanto sy Anicha
Mihamatotra hatrany ...

Ambaniala Itaosy
Vehivavy matin’ny ...

.............................................
Anosibe
Lehilahy iray voatsindron’ ...

Tsara hofantarina
Randrianilana Clarisse ...

.............................................
Kitra-« Tournoi Fitaratra »
Raikitra ny Amboaran’ny ...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2031807
visiteur