Anio, 30-07-2010 l Laharana : 372
 
 
zava-misy Version imprimable Suggérer par mail

Cercle Mess Fiadanana


Nisy nametraka baomba, nitsoaka ilay nitondra azy


Mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana mikasika ity resaka baomba ity hatramin'izao.
Na dia efa somary nangingina aza tato ho ato ity resaka baomba ity dia fantatra fa nisy indray ny fahitàna baomba teny amin'iny faritr'i Fiadanana iny ny Talata teo. Araka ny vaovao voaray avy amin'ny mpitandro ny filaminana dia natao tanaty kitapo izy ity ary napetraka tao amin'ny « C ercle Mess » eny Fiadanana, izay an'ny Miaramila. Tovolahy no nametraka izany, izay tsy tratra akory satria napetrany fotsiny ilay kitapo dia iny izy no tsy hita. Nanaitra ireo miaramila tao anefa ny fahitàna ilay kitapo ka nosavaina kanjo inona tokoa fa ilay karazana baomba vita tanana toy ny fahita teo aloha ireny no tao anatiny, izay tsy mbola nipoaka. Raha ny fanazavàna ihany dia tsy mbola fantatra mazava na nokasaina hapoaka tao izy ity na karazan'ny nentina nampihorohoroana fotsiny na koa misy antony hafa. Efa eo am-panaovana ny fanadihadiana moa ny mpitandro ny filamina amin'izao.
Nisy koa ny voasambotra
Fa mbola resaka baomba ihany dia fantatra fa mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon'ny mpitandro ny filaminana mikasika ireny fametrahana sy fanapoahana baomba teto ireny. Miaramila iray indray mantsy no voasambotra ny voalohandohan'ity volana ity, izay voarohirohy tamin'ny fanafihana ny Viva tetsy Ambodivona. Voalaza fa nitsoaka izy ity taorian'iny raharaha iny ka izao vao tratra ary natolotra ny Fitsaràna avy hatrany ka efa notanana any am-ponja. Raha ny fanazavàna azo avy amin'ny mpitandro ny filaminana ihany dia mbola misy ny olona karohina hatramin'izao.
R.C

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Raokandro malagasy
Nampidirina ho isan'ny ...

.............................................
Atoa Jean Giuliano Nicol ...
“Tsy hanaiky mora foana aho...

Ankolafy telo...
Miandry ny fizotran’ny
..
............................................
Antsiranana ...
Ratsy fanombohana ny dinika...

Ny ba gasy sy hiran’ny omaly
Anio tolakandro etsy amin’ny ..

.............................................
« Dzaomalaza et le saphir ...
Nalefa voalohany omaly tets...

Fort-Duchesne
Trano telo kila tsy nisy ...

.............................................
Magro-Ankorondrano...
Enin-dahy tratra nangalatra ...

Kitra-Tompondakan'Analama..
Nivoaka nandresy ny Vesta ...

.............................................
Rugby – Tompondakan'...
Cosfa sa 3fb?...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2944230
visiteur