Anio, 30-07-2010 l Laharana : 372
 
 
kolontsaina Version imprimable Suggérer par mail

Chorale Hasin’ny Famonjena


Hankalaza ny 40 taona niorenany


1970-2010. Feno 40 taona katroka amin’ny taona 2010 ny niorenan’ny antokom-pihira Hasin’ny Famonjena ao amin’ny Fjkm Amparibe Famonjena. Hankalazaina makotroka mandritra ny herin-taona izany vaninandro goavana izany, ka hatombok’izy ireo ny sabotsy 12 desambra ho avy izao. Fampisehoana maimaipoana izy io, izay hotanterahina ao amin’ny Paroisse Internationale Andohalo. Araka ny voalaza dia hatokan’izy ireo “hanehoana ireo sanganasa sy hira kristiana malagasy hatramin’ny taonjato faha-XIX ka mandraka ankehitriny”izy io. Antony nifidianan’izy ireo io toerana io voalohany ny fananan’ity trano fiangonana ity ny fenitra ara-piakoana miavaka sy tsara (qualité acoustique exceptionnelle). Faharoa, ho fanomezan-danja ny maha vakoka io fiangonana io, ary farany vavolombelon’ny tantaran’ny taotrano teto Iarivo izy io. Hisy araka izany ny fandraisana raki-tsary sy feo hatao mandritra ny fampisehoana. Voalaza fa “Ny antoko mpihira Hasin’ny Famonjena nandritra izay efapolo taona izay dia nijoro ho mpiambina sy mpamelona ireo sanganasa krisitiana malagasy taloha sy ankehitriny ary liana hatrany amin’ny fivoaran’ny kolontsaina kristiana na eto an-toerana na iraisam-pirenena”.
Fy

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Raokandro malagasy
Nampidirina ho isan'ny ...

.............................................
Atoa Jean Giuliano Nicol ...
“Tsy hanaiky mora foana aho...

Ankolafy telo...
Miandry ny fizotran’ny
..
............................................
Antsiranana ...
Ratsy fanombohana ny dinika...

Ny ba gasy sy hiran’ny omaly
Anio tolakandro etsy amin’ny ..

.............................................
« Dzaomalaza et le saphir ...
Nalefa voalohany omaly tets...

Fort-Duchesne
Trano telo kila tsy nisy ...

.............................................
Magro-Ankorondrano...
Enin-dahy tratra nangalatra ...

Kitra-Tompondakan'Analama..
Nivoaka nandresy ny Vesta ...

.............................................
Rugby – Tompondakan'...
Cosfa sa 3fb?...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2944256
visiteur