COSAFA latsaky ny 20 taona Nisaraka ady sahala 1 noho 1 ny Barea sy Mozambika
Ady sahala 1 noho 1 omaly tany amin’ny Ranch Stadium afrika atsimo no nisarahan’ny fihaonana teo amin’ny Barean’i Madagasikara sy ry zareo Mozambikana nandritra ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny COSAFA 2009, ho an’ny tanora latsaky ny 20 taona, taranja baolina kitra. Ny Malagasy no nanokatra ny isa teo amin’ny minitra faha-55 nilalaovana tamin’ny alalan’i Tony(mpilalao mila ravinahitra any ivelany). Niezaka nitazona izany tombon’isa azony izany ihany ny ekipan’i Vahiako sy Ra-jockl teo saingy noho ny karatra mena azon’ny mpilalao malagasy iray dia voatery nilalao 10 sisa izy ireo ka taty amin’ny minitra faha-75 no nanasahala ny isa ho 1 noho 1 ry zareo Mozambikana, baolina tafiditr’i Manuel Fernandez. Amin’ny zoma indray vao hiakatra kianja ny Barea, izay hihaona amin’i Swaziland, raha rahampitso kosa no hifandona i Mozambika sy Swaziland. Tsiahivina fa izay ekipa iray tafavoaka isaky ny vondrona ihany no hiakatra amin’ny manasa-dalana ka raha tahiany tafavoaka eo ny Malagasy dia na Zambia na Angola no hihaona aminy. Rabenaivo
|