Filaharan’ny Fifa Fahatelo mialoha ny farany ny Barea de Madagascar
Mihena an-toerana toy ny fen’antitra ny filaharan’ny Barea eo amin’ny sehatry ny kitra eran-tany. Araka ny tatitry ny Federasionina iraisampirenena tamin’ny novambra teo, dia ny ekipan’i Kirghizistan sy Vanuatu sisa no aoriantsika. Tsy misy firenena aty amin’ny kaontinanta afrikanina resintsika. Mampieritreritra ! Mifandimby mitana ny lohalaharana hatrany kosa i Espagne sy Brésil. Tsy dia atao mahagaga loatra intsony izao laharana misy antsika izao, satria miankina amin’ny vokatra azo amina fifaninanam-pirenena izay natrehina no hanomezan’ny Fifa ny isa. Vokatr’izay, miharihary toy ny tafika andrefan-tanana fa tsy nisy fivoarana mihitsy tao anatin’izay fe-potoam-piasan’ny Fmf izay. Tsy mitombina ny fitantanana tokony ho natao ho an’ny solofo dimbin’ny ala, hitarafana ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena, raha tsy hitanisa afa tsy ny zava-nisy tamin’ny fifanintsanana ny fiadiana ny tompondaka eran-tany farany teo, izay nifanaovan’ny tovovavy latsaky ny 18 taona tamin’ny renione, nanamontsana antsika. Tsy matotra fa novonjivonjena toy ny fihinanana tsinain-kena ny fandrafetana azy. Tsy nisy akory fifaninanam-pirenena nisafidianana ny mpilalao fa fitsimpontsimponana no natao. Niaiky ny “helony” ny mpanazatra fa tsy nety ny fitantanana natao. Fantatra anefa fa misy ny vola ho an’ny tanora sy ny vehivavy, tokony hikarakarana fifaninanana isan-taona ho azy ireny. Ny fifaninanana ho an’ny “Champions League”, ohatra, dia idiran’ny Filohan’ny federasionina lalina ny fitantanana ataon’ny ligim-paritra isanisany, ka enjehina izay tsy mifanaraka hevitra. Atao letrezana ampitoviana ny isan’ny ekipa mifaninana kanefa tsy mitovy akory ny isan’ny ekipa sy ny mpilalao manana “licence” any amin’ny faritra. Nolazainy fa aleo ekipa vitsivitsy no mifaninana ahazoam-bokatra tsara, izay tetikady mifanohitra amin’ny fampandrosoana ny taranja ara-panatanjahantena. Ny section / ligy / federasionina tsy manana ekipa mifaninana firy amin’ny fifaninanana izay karakarainy aza, maniry fatratra ny hanana maro. Manginy fotsiny ny fanenjehena ny mpanazatra, tsy mifanaraka amin’ny “sitrapony”. Tsy misy ny fiaraha-miasa matotra sy ny fampanofanana azy ireny mba hiakaran’ny lentany. Izay mahay misolelaka ihany no mahazo ranondranony. Ny mpanao gazety mba sahy mitsikera dia raisina ho toy ny fahavalo. Tsy mahazo avara-patana intsony ! Raha tiana handroso ity taranja ity dia tokony hisy aloha ny “fampihavanam-pirenena” atao aminy. aris rafaly
|