Anio, 30-07-2010 l Laharana : 372
 
 
samihafa Version imprimable Suggérer par mail

ACAT

Hamerina ireo voafonja eo anivon’ny fiarahamonina

Fantatra ankehitriny fa maherin’ny 18 000 ireo voafonja manerana an’i Madagasikara, manerana ireo fonja 82 misy eto amintsika. Raha izany antontan’isa izany no jerena dia efa mihoatra lavitra amin’ny isa tokony ho izy ny isan’izy ireo. Izany indrindra no mahatonga ny “Action pour l’abolition des Tortures » na ACAT hiaro ny zon’ireo voafonja, ka anisan’izany ireo zaza tsy ampy taona. Taorian’ny didy navoaka momba ireo olona mbola tsy voatsara kanefa nandany 10 taona tany an-tranomaizina dia mahita ny ACAT fa tokony ho jerena akaiky ny fampiharana ny zon’izy ireo. Efa misy hatrany amin’ny 100 ankehitriny ireo nivoaka ny fonja kanefa tsy voara-maso ny fiverenany eo amin’ny fiarahamonina fa toa voailikilika hatrany izy ireo. Izany indrindra no nanaovan’ny ACAT ny atrikasa mandritra ny roa andro mba hijerena manokana ny fanajana ny zon’ny voafonja. Ny tomponandraikitry ny fandraharahana ny fonja sy ny solontenan’ny vondrona fiarahamonim-pirenena no nandray anjara nandritra ny atrikasa. Ny Vondrona eorôpeanina kosa no mamatsy vola ny tetikasa izay maharitra roa taona. Eo amin’ny sehatry ny fampanjariana ireo zo sy fahafahana araka ny lalàna voafaritra momba ny zon’olombelona no tena iadian’izy ireo ka ametrahana politika matotra.
Nath

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Raokandro malagasy
Nampidirina ho isan'ny ...

.............................................
Atoa Jean Giuliano Nicol ...
“Tsy hanaiky mora foana aho...

Ankolafy telo...
Miandry ny fizotran’ny
..
............................................
Antsiranana ...
Ratsy fanombohana ny dinika...

Ny ba gasy sy hiran’ny omaly
Anio tolakandro etsy amin’ny ..

.............................................
« Dzaomalaza et le saphir ...
Nalefa voalohany omaly tets...

Fort-Duchesne
Trano telo kila tsy nisy ...

.............................................
Magro-Ankorondrano...
Enin-dahy tratra nangalatra ...

Kitra-Tompondakan'Analama..
Nivoaka nandresy ny Vesta ...

.............................................
Rugby – Tompondakan'...
Cosfa sa 3fb?...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2944289
visiteur