Anio, 30-07-2010 l Laharana : 372
 
 
fanatanjahantena Version imprimable Suggérer par mail

Jiu Jitsu - Tompondakan’i Afrika

Nahazo medaly volamena 2 ny Malagasy

Medaly efatra (2 volamena, 2 volafotsy) no azon’i Madagasikara nandritra ny andiany voalohany tamin’ny fiadiana ny Tompondakan’i Afrika ho an’ny taranja Jiu Jitsu natao tany Barnard Stadium Kempton Park any Afrika Atsimo, ny 5 desambra lasa teo. Ankoatr’izay dia mbola nahazo laharana voalohany koa isika ho an’ireo firenena nandray anjara ka mbola niampy medaly volamena iray izany, izay nomena ny mpanazatra Rabarilala Faly. Marihina fa ny klioban’ny Gordinho Jiu Jitsu Team no nisolo tena antsika tamin’ity andiany ity, izay nandefa mpikatroka dimy mirahalahy. Fantatra ihany koa fa voahosotra ho tompondakan’ny Oseana Indianina i Bernadette Ravaoarisoa (sokajy vehivavy) ho an’ny taranja « Canne de Combat », natao tatsy Maorisy ny faran’ny herinandro teo. Manoloana izany vokatra azon’izy ireto izany dia notoloran’ingahy Virapin Ramamonjisoa, Minisitry ny Fanatanjahantena, mari-pankasitrahana avy izy ireto omaly teny Ambohijatovo, ary nanome toky izy fa hanampy hatrany ireto atleta ireto amin’ny manaraka.
Rabenaivo

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Raokandro malagasy
Nampidirina ho isan'ny ...

.............................................
Atoa Jean Giuliano Nicol ...
“Tsy hanaiky mora foana aho...

Ankolafy telo...
Miandry ny fizotran’ny
..
............................................
Antsiranana ...
Ratsy fanombohana ny dinika...

Ny ba gasy sy hiran’ny omaly
Anio tolakandro etsy amin’ny ..

.............................................
« Dzaomalaza et le saphir ...
Nalefa voalohany omaly tets...

Fort-Duchesne
Trano telo kila tsy nisy ...

.............................................
Magro-Ankorondrano...
Enin-dahy tratra nangalatra ...

Kitra-Tompondakan'Analama..
Nivoaka nandresy ny Vesta ...

.............................................
Rugby – Tompondakan'...
Cosfa sa 3fb?...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2944242
visiteur