Anio, 30-07-2010 l Laharana : 372
 
 
zava-misy Version imprimable Suggérer par mail

Mahasolo

Mpianatra 8 nitrangana aretina hafahafa

Ankizy valo mianadahy no indray voan’ny aretina hafahafa tany Mahasolo ny zoma lasa teo ary mpianatra avokoa izy ireo. Eo anelanelan’ny 13 taona hatramin’ny 16 taona izy ireo. Tsy fantatra mazava mihitsy aloha izay tena anton’izao aretina nahazo azy ireo izao. Toy ireny voan’ny ambalavelona ireny raha ny fisehoany. Mikiakiaka be ilay ankizy izay efa tsy tompon’ny tenany intsony. Te-hirifatra handositra avy eo ka tsy maintsy sakanana. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dia olona valo eo vao mahatolona ka mahasakana ny ankizy anankiray rehefa mihetsika ny aretiny. Mihetsika in-droa isan’andro io aretina io amin’ireto ankizy ireto. Fantatra moa fa ny roa vavy tamin’ireo ankizy ireo no tena mbola voa mafy amin’izao fotoana izao. Izy enina miandahy efa tsy naninona intsony roa andro taorian’ny nahavoazany. Tsy nisy zavatra hoe nohaniny ka nahasitrana azy ireo anefa fa sitrana ho azy teny izy ireo, araka ny vaovao ihany. 16 taona sy 13 taona ary mpihavana izy roa vavy mbola tratran’ny aretina ireo amin’izao fotoana izao. Rehefa izy ilay mikiakiaka iny dia voalaza fa manonona anarana ankizilahy foana ry zareo ary miteny hoe “andraso aho fa ho any aminao”. Any am-piangonana no itondran’ny havany hanasitranana azy roa. Ho hita eo ny tohiny!
T.H / Rablaise

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Raokandro malagasy
Nampidirina ho isan'ny ...

.............................................
Atoa Jean Giuliano Nicol ...
“Tsy hanaiky mora foana aho...

Ankolafy telo...
Miandry ny fizotran’ny
..
............................................
Antsiranana ...
Ratsy fanombohana ny dinika...

Ny ba gasy sy hiran’ny omaly
Anio tolakandro etsy amin’ny ..

.............................................
« Dzaomalaza et le saphir ...
Nalefa voalohany omaly tets...

Fort-Duchesne
Trano telo kila tsy nisy ...

.............................................
Magro-Ankorondrano...
Enin-dahy tratra nangalatra ...

Kitra-Tompondakan'Analama..
Nivoaka nandresy ny Vesta ...

.............................................
Rugby – Tompondakan'...
Cosfa sa 3fb?...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2944364
visiteur