Lehilahy mihaja mpisolokyFitahiny ireo tovovavy mitady asa an-gazety dia vetavetainySafidiany tsara ireo tovovavy mbola tanora dia ampanantsoiny hihaona aminy. Tovovavy maromaro manao fitadiavana asa an-gazety ireny no efa niharan'ny habibian'ity rangahy ity. Araka ny fanazavana azo dia safidiany tsara ireo tovovavy mbola tanora sy virjiny manodidina ny roapolo taona eo. Ampanantsoiny tsirairay ireo ary anaovany fotoana eny Amboanjobe. Mitonona ho tomponandraikitra misahana ny fandraisana mpiasa amina orinasa iray lehibe mantsy izy. Tovovavy roa no tratrany farany tamin'ity volana ity ka nahalalana ny momba azy. Mitovy hatrany ny nataony tamin'ireo tovovavy ireo. Nomeny fotoana tamin'ny toerana iray hoe hanao fitsapana. An-kolaka Nolazaina fa orinasa miasa amina resaka vato no hampidirany ireo mpiasa, noho izany dia somary anaty ala sady lalan-tany no naleha. Nanontaniany aloha ny momba ilay tovovavy. Rehefa avy eo dia miditra amin'ny lalindalina izy, izay nolazainy fa fepetra takiana raha te ho voaray hiasa. Rehefa avy refesiny dia tsapatsapainy avokoa ny nono sy ny fivaviana fa tsy maintsy virjiny, hoy izy, no tadiavina ary ampatoriany amin'ny “sachet” mihitsy aza. Tamin'ilay tovovavy farany ity anefa no nahafahana nisambotra azy satria efa nisy nahafantatra mialoha ny zavatra nataony. Nampanarahina zandary ilay tovovavy ka dia noraisim-potsiny ranamana. Niaiky ny heloka vitany izy. R.C
|