Anio, 19-03-2010 l Laharana : 3620
 
 
fanatanjahantena Version imprimable Suggérer par mail

Rugby – Tompondakan’ny Oseana Indiana


Vonona ny 3FB


Efa vonona tanteraka hifandona amin’ny Rc St Pierre avy atsy La Réunion ny 3FB, mandritra ilay lalao tafiditra amin’ny fiadiana ny Tompondakan’ny Oseana Indiana 2009, izay hotanterahina anio tolakandro eny amin’ny kianjaben’i Mahamasina, taranja Rugby. Tsahivina fa fihaonana fanintelony eo amin’ny ekipa roa tonta izy ity ka mbola manala vela ny solontenantsika satria efa resin’ireto Renioney ireto in-2 (2004 - 2006). Azo antoka izany fa hahita lalao miady ireo mpijery ho tonga eny satria dia mbola ialohavan’ny fihaonana eo amin’ny IRC sy ny Cosfa ihany koa, izay lalao tafiditra amin’ny dingana manasa-dalan’ny fiadiana ny TOP 16. Eo amin’ny fanokafam-bavony indray dia mbola hifanandrina amin’ity ekipan’ny Rc St Pierre (D2) ihany koa ny Savonnerie, izay inoana fa lalao hiady koa. Raha ny nambaran-dry zareo avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ho an’ity taranja Rugby ity ihany, dia hikatona amin’ny 3 ora ny vavahady mba hitandroana ny filaminana. Mila tonga aloha arak’izany ireo maniry ho eny Mahamasina anio.
Rabenaivo

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Seces
Anio vao ho fantatra ...

.............................................
Taxibe
Mihorohoro fatratra ...

Sazy avy amin’ny Vondrona Af
Nanakoako eran-tany ..

............................................
Fitorian’ny Hetsika mpitondra
Milaza ho tsy mahefa ny ...

Tovo J’Hay
Seho voalohany ao amin’ny ...

.............................................
Pakan’Antsirabe
Efa mahoraka sahady ...

Ampahitrosy
Jiolahy nirongo basy nanafika...

.............................................
Ankazomiriotra-Fanafihana
Misy olona ambony mitady ...

lazao ny marina
Kitra-Fifidianana seksion ...

.............................................
Tsara hofantarina
Ampiharo amin’izay ny tena ...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2083945
visiteur