Anio, 30-07-2010 l Laharana : 372
 
 
zava-misy Version imprimable Suggérer par mail

Sabotsy Namehana


Andian-jiolahy mitam-basy manani-trano amin'ny tohatra


Tsy maka sarotra intsony mihitsy ireo jiolahy fa avy dia tohatra no ampiasiany hihanihana ny trano hotafihany. Toy ny nitranga omaly tokony ho tamin'ny 3ora maraina teny Lazaina- Sabotsy Namehana. Jiolahy maromaro nirongo fitaovam-piadiana no trà-tehaky ny mpiambina nanani-trano tamin'ny tohatra saika hitsofoka teo amin'ny varavaran-kely. Nikotaba avy hatrany ny mpiambina raha nahita izany ary nivovo ihany koa ny alika ka nalaky taitra ny tompon-trano. Nampandre ny mpitandro ny filaminana haingana ireto farany. Teo anatrehan'izany, tsy tana ireo jiolahy fa lasa nirifatra nandositra avokoa. Tsy nisy tratra intsony anefa ireo mpanafika ka mitohy ny fikarohana.
Nisy hafa
Tsy mbola nisy moa ny zavatra lasa tamin'io fa vao teo am-panaovana ny asa ratsiny indrindra ry zalahy no trà-tehaka. Fa mbola fanafihan-jiolahy ihany koa saingy teny Atsimondrano indray koa tao Malaza- Andoharanofotsy. Tokantrano iray no notafihana jiolahy nirongo antsy lava ny Alarobia teo tamin'ny 2ora maraina. Rehefa norahonany ny tompon-trano dia norobainy avokoa ny entana lafo vidy rehetra tao an-trano toy ny fahitalavitra, magnétoscope, chaîne, finday maromaro niaraka tamin'ny lelavola mitentina 2tapitrisa Ariary mahery. Efa mandeha ny fikarohana amin'izao.
R.C

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Raokandro malagasy
Nampidirina ho isan'ny ...

.............................................
Atoa Jean Giuliano Nicol ...
“Tsy hanaiky mora foana aho...

Ankolafy telo...
Miandry ny fizotran’ny
..
............................................
Antsiranana ...
Ratsy fanombohana ny dinika...

Ny ba gasy sy hiran’ny omaly
Anio tolakandro etsy amin’ny ..

.............................................
« Dzaomalaza et le saphir ...
Nalefa voalohany omaly tets...

Fort-Duchesne
Trano telo kila tsy nisy ...

.............................................
Magro-Ankorondrano...
Enin-dahy tratra nangalatra ...

Kitra-Tompondakan'Analama..
Nivoaka nandresy ny Vesta ...

.............................................
Rugby – Tompondakan'...
Cosfa sa 3fb?...

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
2944240
visiteur