Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
Zava-misy Version imprimable Suggérer par mail

Mpirahalahy niady

Notsatotsatohany antsy ilay zandriny, voa teo amin’ny tendany sy ny lohany

Mbola miady amin’ny fahafatesana any amin’ny hopitaly ilay tovolahy hatramin’izao noho ny vono nahazo azy.
Nahitàna tsatok’antsy avokoa teo amin’ny tendany, ny hatony, ny foto-tsofiny ary ny lohan’ilay tovolahy, izay vao valo ambinifolo taona monja. Nijininika ny rà saingy mbola niezaka nanavotra aina nitsoaka ihany ity tovolahy zandriny. Ilay zokiny kosa nandositra taorian’izany ka tsy mbola hita ny nanjavonany hatramin’izao. Tany amin’ny tanànan’Anandrobe-Bejofo any Ambatondrazaka no nitrangan’izany afakomaly maraina. Mbola miady amin’ny fahafatesana any amin’ny hopitaly moa io tovolahy naratra io hatramin’izao. Araka ny fanazavana azo, dia niaraka tany an-tsaha izy sy ilay zokiny, 20 taona, tamin’io. Asa anefa izay zava-nitranga fa dia raikitra ny ady ary tonga hatramin’ny fifamonoana mihitsy.

Efa matetika

Raha iny tsy nanampo na inona na inona iny ity zandriny no avy hatrany dia nasian’ilay zokiny tamin’ny antsy, izay efa novatsiany tany aminy tany. Tsy afaka niaro tena akory ilay zandriny tamin’izany fa sendra ny tampoka. Raha ny fanazavana azo ihany mantsy dia efa matetika izy roalahy ireo no miady toy izao. Efa mandeha ny fikarohana ilay nahavanon-doza amin’izao fotoana izao.
R.C/ Janus R

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3241319
visiteur