Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
Samihafa Version imprimable Suggérer par mail

Amnesty International: zon’olombelona

Tokony hampanao famotorana ny HAT

Raha samy nifanilaka ny andaniny sy ny ankilany dia namoaka tatitra ny Amnesty International fa nisy ny tsy fanajana ny zon’olombelona teto Madagasikara nanomboka ny desambra 2008 no mankaty. Tokony hampanao famotorana mikasika ireo endrika tsy fanajana ny zon’olombelona nitranga teto ny HAT, tsy tokony havela amin’izao ireny fa hisy ny fanasaziana, araka ny tolokevitry ny Amnesty International ihany. Samy nahitana tsy fanajana ny zon’olombelona, na tamin’ny fitondran-dRavalomanana, na tamin’ny fitondran’ny HAT, hoy ihany ny tatitry ny Amnesty International nivoaka tamin’ity volana febroary 2010 ity. Ny volana jona 2009 dia nisy delegasiona avy amin’ity fikambanana ity namita iraka teto Madagasikara, nanao fanadihadiana sy nihaino ny fijoroana vavolombelona samihafa nataon’olona niharan’ny tsy rariny. Nifampiresaka sy niady hevitra ihany koa tamin’ny ankolafin’olona sy tomponandraikitra eto amin’ny firenena. Anisan’ny niresahan’izy ireo ny avy ao amin’ny TIM, ny avy amin’ ny HAT… Nisy  ny tsy fanajana ny zon’olombelona raha vao nanomboka ny krizy ny desambra 2008 ary nandritra ny krizy, araka ny tatitra ihany, izay lava dia lava tokoa ary amin’ny teny anglisy. Voatanisa ao ireo endrika fisamborana sy fanagadrana tsy ara-dalàna, voateny ao koa ny nanjo ireo mpanao gazety, ny endrika herisetra.
Lucien R.

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3242037
visiteur