Fetin’ny mpifankatiaHampiara-peo i Poopy, Bodo, Jaojoby ary Gothlieb « Fetin’ny mpifankatia ». Fety misantatra ny taona ary azo ambara fa fararanon-danonana tokoa eto amintsika rehefa tonga io tonon-taona iray io. Efa manomboka tafiditra ao anatin’ny fombantsika Malagasy aty an-drenivohitra mantsy ny fankalazana azy io. Eny amin’ny Eldorado Soavinimerina, ohatra, dia azo ambara fa hiavaka ny fialamboly miandry ireo mpifankatia ho tonga eny an-toerana ny alin’ny sabotsy 13 febroary izao. “Mega soirée dance” no anaran’io hetsika io, izay hiarahan-dry Poopy, Jaojoby, Gothlieb ary Bodo. Amin’ny ankapobeny dia sambany vao nisy fiakarana an-tsehatra nahitana an’i Jaojoby sy Poopy ary Bodo miaraka izany. Raha i Gothlieb, dia efa mpiaraka amin’izy mirahavavy ireo ihany hatramin’izay, fa ny fiarahana amin’i Jaojoby dia ho zava-baovao tokoa ho an’ireo rehetra tonga hiala voly eny an-toerana. Eo aloha ny gadona entiny amin’ny maha mpanjakan’ny salegy azy. Fa eo amin’ny mety ho fampiaraham-peo amin’iretsy mpanakanto hafa iretsy no hampiavaka ny fiarahana. Ankoatra ny vazo dia fantatra fa hisy fisarihana “tombola” izay mety hahazoana tapakila handehanana fiaramanidina, televiziona “plasma”, solosaina ary loka maro hafa. Fy
|