Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
Fanatanjahantena Version imprimable Suggérer par mail

Tompondaka “Cross Country”

Nahena ny halavarian-dàlana

Fifaninanam-pirenena anisan’ny goavana, karakarain’ny Federasionina Malagasy amin’ny Atletisma, ny fanatanterahana ny fiadiana ny tompondaka eo amin’ny “Cross country”, any Sakaraha amin’ny sabotsy 13 febroary 2010, ka ny fiaingana dia amin’ny 8 ora maraina. Araka ny dinika ambany tafon-trano nataon’ny federasionina tetsy amin’ny foibeny etsy alarobia, dia voatery nahena ny halavarin-dàlana, eo amin’ny sokajy tsirairay avy, noho ny toetr’andro mafana be any amin’iny faritra atsimon’ny nosy iny.  Ho an’ny sokajy “Senior” lehilahy dia 10 km ny halavirana ; “Senior” vehivavy : 8 km ; “Junior” lehilahy : 6 km ; “Junior” vehivavy : 6 km ; “Cadet” : 4 km ; “Cadette” : 4 km ; “Minime” lehilahy : 2 km, toy izany koa ny vehivavy. Ny zava-dehibe, hoy Atoa Razafimahefa Christian, Filohan’ny Fma, dia ny fanentanana ny tomponandraikitra any an-toerana amin’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana an’ity taranja ity, satria taninketsan’ny mpanao hazakazaka i Toliary sy Sakaraha, izay ao anatin’ny Ligin’Atsimo Andrefana, ary namoaka atleta sangany maro Madagasikara, teto amin’ny firenena. Ankoatr’izany dia nilaza mazava Atoa Razafimahefa Christian fa ho faranany amin’ny taona 2012 ny fitantanana ny Fma, ary nampanantena izy fa efa vonona hanohy ny asany.
a.r

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3241865
visiteur