Anio, 09-09-2010 l Laharana : 3764
 
 
Samy isika Version imprimable Suggérer par mail

Tanindrazana !

 Na izany ny mpandraharaha na izany ny mpanao pôlitika, resaka isika samy isika ihany, mandrirotra avokoa ny tanindrazana. Ny zavatra mitranga eto amin’ny firenena, tato anatin’ny andro  vitsivitsy izao, rahateo mampitodika any amin’ny tanindrazana. Tanindrazan’ny Malagasy i Madagasikara ka rariny raha sarotiny aminy izy. Dia izay no azo hanazavana ny fiomanan’ireo miaramila hiatrika ny zavatra miseho eo anatrehan’ny filazana ny mety hidiran’ny tafika vahiny. Indrindra indrindra  fa voady nataon’izy ireo ny hoe “ho an’ny tanindrazana”. Fa manana ny heveriny ho fitiavana ny tanindrazana ihany koa ireo mpandraharaha manoloana ny fitobaky ny entana vahiny eto amintsika : ny fanomezana hasina ny vokatra eto an-toerana eo amin’ny fanjifana sy eo amin’ny varotra. Indrindra amin’izao fotoanan’ny fanalalahana sy ny fanatontoloana izao. Afaka mifaninana amin’ny vokatra hafa anie ny Vita Gasy. Eo amin’ny mpanao pôlitika indray kosa, raha ny fanazavana re tetsy Ankorondrano tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, tsy afa-misaraka amin’ny tanindrazana ny vahoaka. Miteny ho azy ireo rehetra ireo amin’izao hankalazantsika ny faha-50 taona nahazoan’i Madagasikara fahaleovantena izao. Ary ianao io mba ahoana raha mitaha amin’ireo rehetra ireo ? Samy isika ihany é !  
Herivonjy RAJAONAH

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Manafika eto ampovoantany
Nisy andiany hita tao ...

.............................................
Liban
Aiza ny fiaramanidina ...

CNOSC
“Tokony hisy aloha ny ...
............................................
...
...

Fanaovam-beloma an'i Raoul
Nampihetsi-po tanteraka ! ...

.............................................
Lalao Rabeson
Fampisehoana tokana ...

Tetikasa Ambatovy :
Mitohy ny fitokonana, ary ...

.............................................
Asan-jiolahy
Mpivarotra firavaka ...

Kitra – Ligin'Atsinanana
Nolavin'ny CODIS ny maha-...

.............................................
Bisikileta...
Mifoha amin’ny torimasony

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3229859
visiteur