Anio, 10-09-2010 l Laharana : 3765
 
 
Marina izany Version imprimable Suggérer par mail

Iza no diso ?

 Ahiana hanahaka ny raharahan’ny 10 aogôsitra 1991 koa ilay raharahan’ny 7 febroary 2009 iny: tsy hisy tohiny intsony. Ireo rehetra izay niteny momba azy iny dia samy nilaza fa mitohy ny famotorana. Ramatoa Ministry ny Fitsarana anefa raha nanontaniana dia namaly toy izay koa kanefa hita ho saikatsaika be ihany. Asa, manahirana angaha ny hamaritana amin’ny fomba hentitra hoe iza no diso amin’ny toy ireny. Tsy azo lavina aloha fa tsy maintsy meloka izay nitifitra sy nampitifitra. Tsy manana ny rariny tanteraka koa anefa izay nitarika ny vahoaka hananika ireny lapam-panjakana ireny, na inona na inona ambarany ho antony. Na manao ahoana, na manao ahoana, rehefa tamihan’ny olona ny lapa dia tsy maintsy manao izay hiarovana azy ny mpiambina fa izay no asany.
 Raha ny marina dia tsy tokony hisy intsony ny fanaovana sorona ny vahoaka toy ireny, manararaotra ny fientanentanan’ny olona fotsiny mba hahazoana manameloka ilay tiana haongana. Ny antenaina dia mba ho amin’ny alalan’ny fifidianana amin’izay no hifandimbiasan-toerana eo amin’ny fitondrana.  Fifidianana madio sy mangarahara fa tsy laroin’ny paipaika samihafa ka hahatonga fifandirana indray. Efa tafiditra ao anatin’izany paipaika izany izao io fanapahankevitry ny F.A.T. hikarakara fifidianana solombavambahoaka samy irery io. Dia hoe izay ho lany eo koa no ho solombavambahoaka avy hatrany any amin’ny Repoblika faha-efatra.
Rafidy

 
< Précédent   Suivant >
 
Azonao jerena ato ny tahiry ananay nanomboka ny 01 desambra 2007
     
 
 
 

Zotra 119
Mitentina Ar 1 miliara 500 ...

.............................................
Fitsaboana
Mety ho fanafody mahery ...

Mandritra ilay fihaonambem-
Hanao famoriam-bahoaka ...
............................................
Fihaonambem-pirenena...
Ho voatana amin’ny 17 ...

Toto Mwandjani sy Tirike
Miara-mitety faritra any ...

.............................................
Vonjy Razafitsifa
Hanao « Vaky bantsilana » ...

Manjakaray
Trano 7 nirehitra...

.............................................
Disadisam-piarahamonina
Novonoina ho faty ilay ...

Tsipy kanetibe –
Handray anjara avokoa ireo ...

.............................................
Orinasa Naoxime...
Nomeny hasina ny « Journalist

 
  Televiziona

Tantara mitohy
Samy... ...isika

Marina izany
 

 
 
Advertisement




Vous êtes le
3241390
visiteur